Manomboka mihamazava tsikelikely ankehitriny ny momba ny raharaha vely « bois rond » etsy Ambohitsoa, Ankazolava sy Morarano. Ireo toerana ireo dia efa nahitàna vehivavy namoy ny ainy rehefa niharan’ny herisetra. Voavely « bois rond » misy fantsika ary ny sasany naolana. Herintaona taty aoriana dia nisy lehilahy iray voasambotra teo an-toerana. Ramatoa iray handeha hamonjy fodiana eo Ambohitsoa ny alin’ny talata tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany no novelesin’ilay rangahy tamin’ny hazobe, in-droa teo amin’ny lohany. « Raha iny izy saika hamely fanitelony iny anefa no voatohan’ilay ramatoa ka tsy nahavoa intsony. Niantso vonjy avy hatrany ilay ramatoa sady nitazona ny ankanjon’ilay rangahy » raha araka ny fanazavan’ny pôlisy misahana ny boriborintany faharo. Taitra ny olona tamin’ny antso vonjy ary tonga ihany koa ny pôlisy rehefa nantsoina. Rehefa nosavaina ny akanjon’ilay lehilahy izay tavela teo an-toerana dia nahitàna finday. Niainga teo ny fanadihadiana sy ny velam-pandrika. Voasambotra tao an- tranony ny marainan’iny ihany. Niaiky ny helony izy. Niely teo an-toerana ny vaovao satria isan’ny niteraka horohoro tamin’ny mponina amin’iny faritra iny ny resaka « bois rond », indrindra ho an’ny vehivavy. Ireo olona izay nanaraka akaiky ny raharaha no sady mahafantatra ihany koa ilay lehilahy no nahenoana fa tsy dia miompana loatra amin’ny fanendahana akory ny raharaha « bois rond ». Ny ain’ireo olona izay velesina amin’izany mihitsy no kendrena ary tsy misy fanendahana atao. Teo an-toerana ihany no nandrenesana fa vehivavy 800 isa no kendrena amin’ity asaratsy ity. Raha ny tsikaritra dia tsy nisy afa-tsy vehivavy tokoa no niharan’izany, maro no namoy ny ainy, tao anatin’ny herintaona. Inona ary no tena antony ary iza no ambadiny. Sorona sa asa fanakorontanana ? Efa vita ny fanadihadian’ny pôlisy etsy Ambohijatovo-Ambony ary natolotra ny pôlisy misahana ny fanadihadiana heloka bevava indray ilay lehilahy mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ireo fanontaniana ireo. Fitarainana miisa enina no efa azon’ny BC mahakasika ny vely « bois rond » teny Ambohitsoa, Ankazolava ary Morarano. Inoana fa hisy valiny amin’izany ny fanadihadiana amin’ity indray mitoraka ity satria niteraka horohoro loatra sy fahoriana ho an’ny olona eny an-toerana ity raharaha ity.
D.R