- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFiahiana ara-pahasalamana : Bokan-trosa, tezitra ny mpiasa ao Toamasina

Fiahiana ara-pahasalamana : Bokan-trosa, tezitra ny mpiasa ao Toamasina

Mibaby trosa amina miliara maro ankehitriny ilay orinasa miahy ara-pahasalamana. Ny antony, raha araka ny mpiasa, dia misy fitantanana izay miompana amin’ny ampihimamba sy findramam-bola diso tafahoatra amin’ny banky. Vokatr’izany dia sady tsy voaloha ny volan’ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps), ny an’ny mpamatsy ara-pitaovana, ny mpamatsy fanafody ary indrindra koa ny hetra tokony aloa amin’ny fanjakana. Izany no mitambatra dia efa maherin’ny 1.000 miliara ariary raha ny porofo naroson’ny loharanom-baovao. Efa nisy ny fampiantsoana nataon’ny minisitera tompon’andraikitra ny faran’ny taona lasa teo satria ao anatin’ny taratasin’ny karaman’ny mpiasa dia anesorana ny hetra momba ny asa (Irsa) kanefa tsy tonga ao anaty kitapom-bolam-panjakana akory izany. Raha ny fantatra dia efa mandeha koa ny fanadihadiana ataon’ny Bianco sy ny Pac mahakasika ity raharaha miendrika fanodikodinam-bola ity. Miaka-peo ny mpiasa eo anivon’ny orinasa ankehitriny satria ny orinasa sahirana nefa ny mpitantana sy ny filakevim-pitantanana migalabona. Ao ny fividianan’ny tale jeneraly fiara raitra izay rehefa nohadihadian’ireo mpiasa dia amin’ny anaran’ny orinasa ary natao mba hahafahana manao antoka hahazoana vola amin’ny banky. Torak’izany koa ny fividiana fitaovana isan-karazany izay tsy tokony laharam-pahamehana. Izany anefa dia nolazain’ny mpiasa fa misy tambim-bola (commission) ho an’ny mpitatana ao ambadikany. Mbola naboridan’ny mpiasa koa ny bizna maloto momba ny fampidirana mpiasa. Izay manome vola ihany no tafiditra. Miandrandra fanovàna ireo farany satria efa misotro ronono rahateo ny mpitantana ary efa lany fe-potoana koa ny filakevim-pitantànana izay tarihany. Toa nilatsaham-baratra anefa iretsy voalohany raha mbola mitohy manao ny asany ihany ireo voakasika satria nangataka fanalavam-potoana ary noho ny antony tsy fantatra mazava dia tafajanona mibodo ny toerany avokoa. Miandrandra fanovana ny olona satria orinasa iraisana no tantanina ary samy mandoa vola amin’izany avokoa ny mpiasa marobe mba hahazo fiahiana ara-pahasalamana. Miandrandra izy ireo ny fanadihadian’ny sampana miady amin’ny kolikoly sy izay mety ho fanapahan-kevitry ny ministera tompon’andraikitra manoloana ity endrika fanaovana ampihimamba ny volan’ny mpikambana ity. Ny kolikoly izay raha nataon’ny Filoham-pirenena ankehitriny laharam-pahamehana ny ady atao aminy. Isan’ny mandrehitra afo ny mpiasa koa ny nandroahan’ny mpitantana ny delegen’ny mpiasa izay efa nisy didim-pitsaràna anefa mahakasika ny hahafahany miverina miasa. Dia ny andron’ny fiverenany miasa mihitsy izy no noroahina. Io koa dia mbola raharaha hafa eny amin’ny tribonaly ary arahin’ny mpiasa maso akaiky.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici