- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBokarano-Mahazomà : Dahalo nokapain’ny olona ny lohany

Bokarano-Mahazomà : Dahalo nokapain’ny olona ny lohany

Jiolahy iray fantatra amin’ny anarana antsoina hoe «  Rafah » no maty notapahany fokonolona loha, tany amin’ny fokontany Bokarano, any amin’ny kaominina Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, efa ho tapa-bolana lasa izay no nisehoan’izany. Arakany ny fanazavana azo, dia mikasika ny fanafihana mitam-piadiana manao sesilany tany amin’ny faritra Mahazomà sy ny manodidina Maevatanàna, ary hatrany amin’ny disitrikan’i Kandreho no antony nisamborana azy. Fantatra fa efa nokarohin’ny mpitandro ny filaminana mikasika izany asa ratsy nataony izany ny tenany. Raha ny fantatra dia nisy olona natsikaritra ny nitarihan’ny lehiben’ny dahalo antsoina hoe Tence mena sy ny ekipany izany nanafika tao Bokarano, ka nahaverezana omby aman-polony sy nahalasana takalon’iaina dimy mianadahy tamin’izany andro izany, ka io nahatonga ny fahatratrarana azy. Nandeha nanao fidinana ifotony amin’ilay toerana tokony hahitana an’ity lehilahy antsoina hoe Rafah mantsy ny mponina sy izay vatan-dehilahy rehetra teo an-tanàna, ka tratra tany an-tsaha misy ny tobiny izy nony farany. Rehefa natao ihany koa ny fisavana dia nahitana moara niaraka tamin’ny « lamba miloko mena » tanaty trano mololo nefenany. Io fitaovana io dia voalaza fa fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny miaraka amin’ny Tence mena. Taorian’ny fisavana azy teo, dia nokasahin’ireo olona hoentina any amin’ny biraon’ny Zandary ao amin’ny «  poste fixe Mahazomà » ny lehilahy. Teny ampisasan-dàlana nitondrana azy no nitsoaka nandositra, ka raikitra ny fifanejehana azy. Tsy lasa lavitra dia tratra saingy namaly ihany izy. Tonga tany an-toerana ny Zandary, saingy efa fatin’i Rafah mitsirara amin’ny tany no tazan’izy ireo.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici