Nanomboka ny alahady maraina lasa teo no tsy nahitana an’ireo olona telo nalain’ny dahalo an-keriny, tany amin’ny tanàna antsoina hoe Bokarano, kaominina Mahazomà, ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Nandritra ny fanafihana nataon’ireo dahalo am-polony tamin’io toerana io no nitondrana an-keriny vehivavy telo teo an-tanàna. Nanapoaka basy ireo malaso, talohan’ny nandosirany. Nanenjika sy nifanandrina tamin’ireo olon-dratsy ny mpanara-dia, izay nahitana mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona. Heverina ho nizarazara teny am-pandosirana ireo malaso. Ny hafa nitondra ny omby sy ireo olona takalon’aina nandositra tany amin’ny lalana hafa. Marihina fa tsy nisy naratra tamin’ireo olona sy mpitandro ny filaminana nandritra ny fifanandrinana. Nanohy ny fanenjehana sy fitadiavana an’ireo olona nalaina an-keriny ny mpitandro ny filaminana. Heno fa tery sy voahodidina ny toerana nisy ny malaso dia navotsotra ny omby sy ireo olona ireo. Efa nomena ny tompony ao Bokarano moa ny omby, ary salama tsara kosa ireo takalon’aina raha ny fampitam-baovao hatrany.
Ratantely