Nivoaka ny didy ary voasazy ny mpivarotra boky hosoka. Ireny boky fampianarana izay hiomanana amin’ny fiatrehana fanadinam-panjakana Bakalorea ireny no nataon’ilay olon-dratsy dika mitovy ary namidiny. Manome laza adina izay efa nandeha tamin’ny fanadinana tany aloha ary koa ny valiny ireo boky hany ka manampy betsaka ny mpianatra amin’ny famerenana. Teo indrindra no nitsiry ny hevi-dratsin’ilay olona izay nanao dika mitovy. Hatramin’ny fonom-boky izay maroloko dia nadikany koa. Tsy nisalasala izy ny nivarotra izany tamin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy. Teo no nanomboka tsikaritry ny mpamokatra izany ary nahatonga ny fitoriana teny anivon’ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra ny fanadihadiany avy hatrany. Sarona ihany ilay mpanao hosoka ary voasazy rehefa nandeha ny fitsaràna. Voasoratra mazava ao anatin’ny rezisitry ny fanjakana ny marika manokan’ilay boky ary midika izany fa tsy azo adika na amidin’ny orinasa na olona ankoatra izay mpamokatra azy. Misy lalàna mifehy izany ary tamin’ity indray mitoraka ity dia tsy nisalasala ny nitory ny tompom-boky ary io nahitam-bokany io.
D.R