- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBongalava : Tanjona ny hampiakatra ambony ny tahan’ny famokarana trondro

Bongalava : Tanjona ny hampiakatra ambony ny tahan’ny famokarana trondro

Na dia diso fantatra loatra amin’ny resaka fiompiana omby aza iny faritra Bongolava iny dia azo lazaina fa mbola manana harena voajanahary azo trandrahana tsara sy entina hampandroso izany toerana izany ity faritra ity. Tsy inona izany fa ny famokarana sy ny fiompiana trondro. Tanjona mihitsy aza, araka ny nambaran’ny Governoran’ny faritra, ny Jly Ramiaramanana Joseph, ny hampiakatra ambony ny tahan’ny famokarana trondro izany, izay marihana fa manodidina ny 12 taonina eo ho eo isan-taona. Naneho ny fahavononany rahateo ity farany, hikatsaka hatrany izay rehetra hampandroso ny faritra feheziny, ary hamporisika ireo tantsaha hisehatra amin’ity fiompiana trondro ity. Nanamafy izany rahateo ihany koa, ary vonona ny hifanome tanana, hampandroso hatrany ny faritra ny Solombavambahoaka voafidy tao Tsiroanomandidy. Marihana fa nisy ny fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny jono sy ny harena manga, izay iraky ny fitondram-panjakana amin’ny fanantanterahana ny velirano fahasivy, ho amin’ny fahafahana mizaka tena ara-tsakafo, tany amin’iny faritra iny, ny faran’ny herinandro teo. Nandritra izay no nanolorana ny fanamariham-pahafahana ho an’ireo mpiompy trondro 17 mianadahy nahavita fiofanana ho amin’izany tao Tsiroanomandidy.

Nangonin’i m.L

 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici