- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBongatsara : Fasana roa nasesin’ny mpangalatra taolam-paty

Bongatsara : Fasana roa nasesin’ny mpangalatra taolam-paty

Nikorontana ambony ambany ny fasan-drazana. Efa ho manodidina ny dimampolo ny razana nanjavona tao anatin’izany. Tsy nisy afa-tsy ireo razana lena sisa navelan’ireo mpangalatra taolam-paty tao. Teny Anjomakely, kaominina ambanivohitra Bongatsara, no niseho ny famakiana fasana ary nisesy izany tao anatin’ny telo andro. Tsy mbola fantatra mazava ny amin’ny tompon’antoka hatreto. Tsotra ny zava-misy : mijaly loatra ny Malagasy ankehitriny. Ny velona mitsipozipozy noho ny ady amin’ny fiainana isan’andro ary ny maty indray dia tsy mbola afaka miala sasatra tanteraka araka ny fiteny, satria mbola misy mangalatra indray koa ny taolambalo. Hatreto dia tsy mbola nisy vokany mazava ny fanadihadiana maro efa nataon’ny mpitandro ny filaminana momba ny halatra taolam-paty. Na ny tena mpanatontosa an’izany aza, rehefa voasambotra dia tsy manan-kevitra firy ny amin’izay hanaovana ny taolam-paty. Kanefa dia misesy ary tsy an-kijanona ny vaky fasana eto amintsika…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici