Efa tsy mifidy asiana intsony ireo jiolahy ankehitriny, hatramin’ny relijiozy aza amin’izao no lasibatry ny asa ratsin-jiolahy. Ny zoma alina hifoha sabotsy teo mantsy, tokantranona masera, mpampianatra teny Bongatsara, Andoharanofotsy indray no notafihana jiolahy efatra nirongo fiadiana. Araka ny fantatra dia nopitsohan’ireo jiolahy tamin’ny baramina ny varavarankelin’ity tokantrano ity, avy eo niditra an-keriny tao amin’ity relijiozy ity ireo jiolahy. Voalaza hatrany fa nandrahoana ireo masera tamin’ny zavamaranitra ireo olon-dratsy. Vao vita ny asa ratsiny, dia nirifitra nitsoaka ireo jiolahy. Voalazan’ny loharanom-baovao, fa tsy nisy naninona ireo relijiozy. Nentin’ireo jiolahy kosa ny solosaina fentin-tànana iray, niaraka tamin’ny findray efatra ary vola roa hetsy ariary. Rehefa lasa ireo jiolahy vao afaka niantso vonjy ireo tompon-trano. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana, saingy efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireo olon-dratsy. Efa mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy.
m.L