- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBongatsara : Lasa hatramin’ny peratra mariazy

Bongatsara : Lasa hatramin’ny peratra mariazy

Efa-dahy izay nanao saron-tava ny iray tamin’izy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Manodidina ny tamin’ny iray ora sy fahefany maraina ny alakamisy teo no nanafika tokantrano izy ireo. Nitondra basy sy zava-maranitra raha araka ny fanamarihana azo. Rehefa norahonana ny tompon-trano izay izy irery no tao tamin’io fotoana io, dia nobataina amin’izay ny entana izay azo nalaina ary koa ny vola. Lasa ny fahitalavitra fisaka roa, ny finday miisa telo, ny peratra miisa telo izay peratra mariazy ny iray amin’ireo. Tsy vitan’izany fa nobatain’ireo hatramin’ny solosaina izay fampiasa amin’ny birao. Ny zandary ao Andoharanofotsy no tonga nanao ny fisafoana ny toerana ary nanokatra fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Mafampana ny tsy fandriam-pahalemana ao Atsimondrano tao anatin’ny roa andro izay. Ahiana aza ho jiolahy mitovy hatrany ireo efa-dahy izay mampihorohoro tato ho ato any amin’iny faritra iny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici