Efa tena tsy tahotra tsy henatra intsony ny an’ity olon-dratsy tetsy Bongatsara ity. Ny olona variana manao fety, ingahirainy manararaotra mamaky trano. Soa ihany fa nisy nahita ary tonga haingana ihany koa tetsy andanin’izay ny zandary. Tokantrano iray tetsy Ambohikely Antsahabe, ao anatin’ny kaominina Bongatsara tokoa mantsy no nataon’ity tontakely ity lasibatra. Nahatsikaritra izany ny mpiray vodirindrina ka niantso vonjy. Raha ny voalaza dia efa nahavita ny nataony ingahy satria izy handeha hitsoaka iny koa no nifanena tamin’ireo zandary efa nampandrenesina. Tsy afa niala intsony moa rehefa nosavaina ary tratra teny aminy ireo vilia, vilany, niaraka tamin’ny bodofotsy sy kojakojan-tokantrano maromaro, vao avy nalainy tamin’ilay tokantrano. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary Ingahy. Notanana natao famotorana alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Efa naverina tamin’ny tompony kosa ireo entana nangalariny.
m.L