- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBongatsara : Nanohitra ireo efa-dahy mitam-basy ny fokonolona

Bongatsara : Nanohitra ireo efa-dahy mitam-basy ny fokonolona

Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva ny zoma lasa teo no nisy fanafihana mitam-piadiana tetsy amin’ny fokontany Ambohibao-Bongatsara. Tontosan’ireo olon-dratsy izany saingy rehefa nitsoaka kosa ireo dia nifandrimbona tamin’izay ny olona. Tao ny nanara-dia avy hatrany ary nanenjika hatramin’ny farany. Tao kosa ireo nampandre ny zandarimaria. Ny fifandrimbonan’ireo hery roa tonta ireo no nahafahana nahatratra ny iray tamin’ireo jiolahy. Io farany anefa dia mbola tsy nanaiky mora foana ary nandratra tamin’ny antsy ny iray tamin’ireo fokonolona. Tsy afa-niala intsony izy na izany aza, satria minitra vitsy dia tonga nifanampy tamin’ireo olona marobe ny olon’ny zandary. Mbola karohina kosa ireo namany hafa izay mitazona basy sy nahazo ny vola. Toeram-pivarotana lehibe ity voatafika ity ary tsy alim-be akory satria mbola tao anatin’ny fivezivezen’ny olona no niseho ny fandrobàna. Tsy neken’ny sain’ny olona izany ka nahatonga ny fifandrimbonana faran’izay haingana. Nanamora ny fisamborana rahateo ny fampandrenesana faran’izay haingana ny zandary, tamin’ity indray mitoraka ity. Midika izany fa tokony ho efa samy manana ny laharan’ny mpitandro ny filaminana ny olom-pirenena satria isan’ny fandraisana anjara mahomby ny fiantsoana azy ireo ara-potoana. Tsy andoavam-bola rahateo izany ankehitriny. Etsy andanin’izay, mila mandray ny antso 24/24 ora ny mpikirakira izany eo anivon’ny vondron’ny mpitandro ny filaminana tsirairay avy satria isan’ny mankaleo ny olona hiantso azy ireo ny tsy fandraisan’ny tompon’andraikitra ny antso indraindray. Mila ezaka iombonana hatrany ny fahombiazana amin’ity ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay olana iraisan’ny mponina ity.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici