Milaza fa mpiasan’ny Antenimieram-pirenena ity lehilahy ity ary “assistant parlementaire”-n’ny solom-bavambahoaka iray any Farafangana. Izany asany izany no nentiny navaivàna sy fanompàna ireo zandary nanao ny asany, rehefa tra-tehaka nitondra rongony amam-polony kilao ny fiarany, izay taxi-brousse mampitohy an’i Vaingaindrano sy ny Ambilobe.
Ny alarobia lasa teo tokoa mantsy, tao anatin’ny fisavàna ireo fiara teny amin’iny lalam-pirenana fahafito iny, nataon’ireo zandary mifehy ny fifamoivoizana, eo ambany fibaikon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central no tra-tehaka ny fiara mpitatitra iray avy any Vaingadrano, nitondra entana nampiahiahy. Rehefa nosavaina izy ireo dia hita teo fa rongony maina, nahatratra hatrany amin’ny 26.4 kilao tany. Tamin’io fotoana io ihany moa dia najanona tsy navela nandeha intsony ilay fiara ary nafindra ireo mpandeha tao anatiny. Olona telo kosa no nosamborina sy nanaovana fanadihadiana, dia ny mpamily, ny mpamily mpanampy ary ny olona iray iraky ny tompon’ireo entana ireo. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ireo mpitandro filaminana dia tra-tehaka taty an-drenivohitra ny olona iray, izay tokony hitondrana ireo entana. Mbola nahatratrarana rongony 600 grama moa tany an-tranony, teny Ambohitrarahaba, tamin’izany fisavàna izany.
“Assistant parlementaire”. Araka ny lalàna velona moa, rehefa misy ny trangana trafika tahak’izao dia tsy maintsy nogiazana ny fiara nitondra izany entana voarara izany. Teo no niditra an-tsehatra ingahy “assistant parlementaire”, satria azy ity fiara mpitatitra ity. Nanomboka tamin’ny fotoana nisamborana ireo olona telo tao anaty fiara dia efa nanivaiva ireo zandary nanao ny asany ity rangahy ity tamin’ny alalan’ny finday ary nitaky avy hatrany handefasana ny fiarany sy hamotsorana ireo olona telo. Ireto farany, izay marihana ihany koa fa niezaka “nifampiraharaha” tamin’ireto zandary tamin’ny alalan’ny fanomezam-bola, roa hetsy ariary. Kolikoly izay nolavin’ireto mpitandro filaminana ankitsirano moa. Tsy nihanona fotsiny tamin’ny rahom-bava tao anaty finday anefa ingahy “assistant parlementaire” fa mbola tonga avy hatrany tany amin’ny biraon’ny vondron-tobim-paritra Imerina Central sy mbola nandrangaranga ny naha-mpiasa eo anvion’ny antenimieram-pirenena azy. Nanomboka teo ny vava isan-karazany sy ireo teny tsy voahevitra rehetra nataony tamin’ireo mpanao fanadihadiana.
Lalàna velona. Mazava ho azy na iza na iza, tsy misy ambonin’ny lalàna izany ary henjehin’ny lalàna velona eto amintsika, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-224, ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana ny fanivaivana ny mpitandro filaminana manao ny asany. Etsy andanin’izay, ny maha- “assistant parlementaire” azy ihany koa tsy midika mihitsy fa afaka manindry bokotra ny rehetra na ilay antsoina hoe “trafic d’influence”. Henjehin’ny lalàna velona ihany koa, araka ny voarakitra ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana hatrany, ao amin’ny andiny faha-179. Tamin’io fotoana io ihany araka izany dia nosamborina, notazomina ary natao andrimaso ho amin’ny famotorana ity ingahirainy, niaraka tamin’ireo olona efatra, tratra nanao trafikana rongony sy fikasàna hanao kolikoly. Eo am-panaovana ny famotorana lalina mahakasika ity raharaha ity moa ireto zandary amin’izao fotoana izao.
m.L