- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversBongatsara : Toaka voarara 900 litatra sarona, olona dimy voasambotra

Bongatsara : Toaka voarara 900 litatra sarona, olona dimy voasambotra

Taorian’ny fitsirihana sy fanaraha-maso ny lalam-pirenana ataon’ireo Bemôtô, na ireo zandary misahana ny fifamoivoizana, dia tratra tetsy Ambatobevohoka, kaominina Bongatsara, tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny, ny fiara “fourgon” iray nitondra entana voarara, ny faran’ny herinandro teo. Sarona tamin’izany ny toaka gasy, tsy nahazoana alalàna, izay nahatratra hatrany amin’ny 900 litatra tany ho any, nafenina tao ambanin’ny gonin-tsaribao am-polony maro, izay tsy nisy taratasy ihany koa.

Notazomina tamin’io fotoana io ihany moa ny mpamily sy olona roa, izay voalaza fa tompon’ireto alikaola voarara ireto. Marihina fa avy any Fandriana, ary handeha hiakatra aty an-drenivohitra ity fiara nitondra entana voarara ity izao tra-tehaky ny zandary misahana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena izao, tetsy amin’ny PK18. Teo ihany koa dia nosokafana ny famotorana mahakasika ny fiavian’ireto entana ireto sy izay olona mety handray azy. Taorian’ny fikarohana sy ny fanadihadiana dia voasambotra teto an-drenivohitra, ny andron’ny sabotsy teo, ny olona roa, tokony handray izany toaka voarara izany. Nentina avy hatrany natao famotorana teny anivon’ny biraon’ny zandary eny Ankadilalana ireto farany, ary notanana natao andrimaso, niaraka tamin’ireo olona telo tratra ambodiomby tamin’ity raharaha ity.

Nilaza ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenana fa tsy mbola nisy lalàna hatreto, namela malalaka ny famokarana sy ny fitondrana ary ny famarotana ny toaka voarara eto amintsika. Etsy andanin’izay, araka ny voalaza ao amin’ny fehezan-dalana ankapobeny mifehy ny hetra, voafaritry ny lalàna mifehy ny fitantanambola 2022, ao amin’ny tapany fahenina, andininy faha-20.01.68, izay milaza fa azo atao ny manenjika ireo olona mitana na mivarotra na mamokatra alikaola (toaka) tsy nahazoana alalàna. Voasazy handoa onitra iray alina ariary isaky ny litatra izany olona izany, ary fanagadrana iray ka hatramin’ny roa an-taona an-tranomaizina, miampy ny fanagiazana ireo fitaovana nanaovana izany sy vokatra azo. Azon’ireto olona voasambotra ireto atao tokoa araka izany ny mandoa io onitra io any amin’ny fanjakana, izay mety hampihena ny sazy azony, kanefa tsy misakana velively an’io mpanao fanadihadiana izany, handefa azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana, aorian’ny fakàna am-bavany azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici