- Publicité SW45 -
mardi, avril 16, 2024
AccueilFaits-DiversBongatsara : Trano roa notafihan’ny jiolahy, olona efatra naratra

Bongatsara : Trano roa notafihan’ny jiolahy, olona efatra naratra

Nanohitra ny tao an-trano ka novelesin’ireo jiolahy tamin’ny vatan-kazo.

Tokantrano roa samihafa no indray notafihan’ny olon-dratsy afak’omaly tao amin’ny kaominina Bongatsara. Tao amin’ny tanàna atao hoe Ambohinarivo, ao amin’ny  fokontany Antsahabe, ao amin’ny kaomina ambanivohitra Bongatsara – Amboanjobe no nisehoan’ izany. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any ireo olon-dratsy no tonga tao amin’io tanàna io. Miisa dimy ireo mpanafika ary nisy nitondra basy poleta. Ankoatra ireo vola sy entana sarobidy very dia nisy olona efatra ihany koa naratra voavelin’ny kibay.

Tao amin’ilay trano voalohany, dia niditra an-keriny ireo mpanafika. Novakian’izy ireo ny varavaram-pitaratra sy ny varavaram-be. Tsy nanaiky lembenana anefa ny rangahy iray fianakavian’ ny tompon–trano. Nanohitra izy ka novelesin’ ireo olon – dratsy tamin’ ny kibay ny lohany. Naratra mafy tamin’ izany ity farany. Nanao izay danin’ny kibony avy eo ireo mpangalatra ka noraofin’izy ireo ny entana sarobidy rehetra tao an-trano, toy ny solosaina fitondra an-tanana, ny lecteur DVD, fitaovana fanaovana “ reliure ” iray, peratra volamena roa ary kavina iray. Lasan’ireo mpanafika ihany koa ny karapanondro.

Nifindra. Vita izay dia nifindra tao amina trano iray hafa teo akaiky indray ry zalahy.  Nitovy tamin’ ilay fanafihana voalohany  ihany ny fomba nidiran’izy ireo tao amin’ ity trano ity. Nofaohin’ izy ireo avokoa ny entana tao an-trano, ka lasa tamin’izany ny “ordinateur portable”, peratra volamena telo, eny hatramin’ ny karapanondron’ ny tompon–trano. Tsy nijery fotsiny anefa fa nanohitra ihany koa ny olona tao amin’ ity trano faharoa ity ka nanaovan’ izy dimy lahy angaredona. Nisy ny naratra mafy tamin’ izany izy. Efa lasa fotoana vitsivitsy ireo jiolahy vao afaka nampandre ny Zandary ireo niharam-boina. Nisy ny fanarahan–dia natao ka hita fa tsy zakan’ ireo jiolahy ny entana norobainy ary narian’izy ireo teny an- dalana ny solosaina fitondra iray. Mbola mitohy ny fikarohana ary ireo naratra kosa nalefa notsabona tamina hopitaly teny an-toerana.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser