Teny amin’ny lalam-pirenena faha 7 PK13 iny no nisehoan’ny lozam-pifamoivozana, ny alatsinainy lasa teo. Avy any Antsirabe ity moto no hitodi-doha hiakatra aty an-drenivohitra. Niampita tampoka ity ramatoa iray ka tsy nijery ny fifamoivozana avy aty amin’ny ilany havia. Avy hatrany dia voafoakan’ ilay moto izy tamin’izany ka nitsirara tamin’ny tany. Mafimafy ihany moa ny ratra nahazo ilay vehivavy, izay eo amin’ny 55 taona eo, ka tonga dia nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly HJRA nanaraka ny fitsaboana sahaza azy.
ALEM