- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBongolava : Mamono isan’andro ny dahalo

Bongolava : Mamono isan’andro ny dahalo

Tsy misy andro iray izay tsy andrenesana fahafatesan’olona izay novonoin’ny dahalo ao amin’ny faritra Bongolava. Manjaka tokana tanteraka ireo olon-dratsy tato ho ato ary mihorohoro ny mponina ankehitriny. Herinandro maizina ho an’ny faritra ity herinandro ity. Vao nanomboka izany ny alatsinainy teo dia efa nisy olona notapahin’ny dahalo ny lohany, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Bongonilaimanja. Mbola tsy lefy akory izany herisetra namoizana ain’olona izany dia efa nandrenesana fahafatesana indray ny ampitson’iny. Miaramila iray no maty teny am-panarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona, rehefa notifirin’ny dahalo. Io indray dia tao amin’ny tanàna antsoina hoe Analamisakana, Ambararata-Atsimo. Mbola ny andron’iny ihany no nisy fanafihana hafa koa ary lasa avokoa ny vola aman-karena tao amin’ny tokantrano iray, tao Belobaka. Raha mba nilamindamina kely ny alarobia, niverina indray ny vonoan’olona ny alakamisy. Lehilahy iray mitondra entana amin’ny fiara ary mivarotra izany eny amin’ny tsena izay teteziny no maty notifirin’ny dahalo tao amin’ny tanàna antsoina hoe Antsahatanteraka. Mampanahy ny maro ity asan-dahalo tsy an-kijanona tato ho ato any Bongolava ity. Indrindra koa mamono olona hatrany ireo.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici