- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversBongolava : MD ny mpampianatra roa

Bongolava : MD ny mpampianatra roa

Fanerena olona hanome vola no antony. Ny iray sefo Zap ary ny faharoa mpampianatra. Ny mpampianatra Fram no nilaza ho nangalana vola mba ho tafiditra ho mpiasam-panjakana. Ny sasany amin’ireo rahateo no nametraka fitoriana ka nahatonga ny tale rejionalin’ny fampianarina ao amin’iny faritra nanokafana fanadihadiana niaraka tamin’ireo olona roa izay voalaza etsy ambony. Samy notazomina tao amin’ny mpitandro ny filaminana izy ireo nialoha ny fiatrehana ny fampanoavana ny zoma lasa teo. Taorian’izay dia nidoboka am-ponja vonjimaika ireo mpampianatra roa raha napetraka ho eo ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna kosa ilay talen’ny fampianarana. Amin’ity raharaha ity dia mbola horonam-peo izay misy ny feon’ireo voasambotra nilaza ny mpiaro azy ireo izay olom-boafidy raha araka ny tsilian-tsofina re. Mety hiitatra araka izany ity raharaha ity raha horaisin’ny fitsaràna izany porofo izany. Etsy ankilan’izany, mbola misy mpampianatra maro, rehefa nahita ny zava-nitranga dia vonona koa ny hanamafy ny fitoriana ireo olona naka vola tamin’izy ireo. Hotsaraina amin’ny 6 jolay ho avy izao ity raharaha ity saingy mety ho betsaka ny fiovan-javatra mialoha an’izay raha tena hitombina tokoa ireo fitomboan’ny fitoriana sy mety ho fandraisan’ny fitsaràna ny horonam-peo mba ho porofo na tsia.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici