- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversBONGOLAVA : Tsinjoarivo Imanga ; Tafapetraka ny vato fototry ny EPP

BONGOLAVA : Tsinjoarivo Imanga ; Tafapetraka ny vato fototry ny EPP

Notanterahana ny herinandro lasa teo ny fametrahana ny vato fototra ho fanorenana ny sekoly fanabeazana fototra ao amin’ny fokontany Andandihazo, kaominina Tsinjoarivo Imanga, faritra Bongolava. Ny Governoran’ny faritra, Atoa Jly Ramiaramanana Joseph moa no tonga nanatanteraka izany teny an-toerana, notronin’ireo manam-pahefana sy ireo olom-boafidy tao an-toerana. Sekoly ahitàna efitra roa, izay mazaka mpianatra eo amin’ny dimam-polo isa tsirairay ity haorina ity. Isan’ny tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena mahakasika ny fanabeazana fa indrindra ihany koa hantanterahana ilay hoe tsy hisy tanana ho adino intsony. Nandray andraikitra amin’izany ny ben’ny tanana teo an-toerana amin’izao fanorenana sekoly izao, izay niara-niasa akaiky tamin’ny faritra. « Mariky ny fankatoavana sy fanatanterahana ireo rehetra nampanantenain’ny Filoham-pirenena ho an’ny vahoaka ho fampandrosoana ny isam-paritra izao ary Bongolava mandroso no tanjona ».

Heverina fa hanala fahasahiranana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, izay voatery mandefa ny zanany mandeha an-tongotra kilaometatra maro, handeha hianatra isan’andro, ny fahavitan’izao sekoly izao ary hampazoto ireo ankizy hianatra ihany koa.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici