- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBongolava : Vola mihoam-pampana alaina amin’ireo mpiompy omby

Bongolava : Vola mihoam-pampana alaina amin’ireo mpiompy omby

Velon-taraina tanteraka ireo tantsaha mivondrona ao anatin’ny fiompiana sy fihariana omby any amin’iny faritra Bongolava iny, noho ny vola mihoam-pampana alain’ireo tompon’andraikitram-panjakana amin’izy ireo, indrindra fa ireo delegem-panjakana any ambanivohitra any amin’ny vidin’ny taratasin’omby na FIB. Tsy nijery fotsiny izany ny raiaman-drenin’ny faritra, ny Jly Ramiaramanana Joseph, governoran’ny faritra Bongolava fa niheno ary nandray andraikitra. Izany toe-javatra izany indray anefa no toa lasa hanenjehana sy hanosoram-potaka azy hoy ireto olona ireto. Miangavy ireo tompon’andraikitra mahefa araka izany izy ireo, hijery akaiky ity raharaha ity. Ary miantso ihany koa an’ilay olona sahy nanosoketa ity raiamandrenin’ny faritra ity, hidina any an-toerana sy hanao fanadihadiana alohan’ny hitenenana. Fa mahakasika ity raharaha ity, dia tsara ny manamarika fa nisy ny fifandisoana omaly, tamin’ny lahatsoratra nivoaka teto, mahakasika ny fanazavana nomen’Atoa Governora. Tsy nilaza velively ny tenany ary tsy niteny mihitsy fa hoe “ny filan-kevitry ny minisitra no nanala ny prefet ny alarobia lasa teo”. Mbola mipetraka amin’ny ara-dalàna eo amin’ny toerany ity farany araka ny fanazavana azo. Fahadisoana noho fifangaroan-kevitra sy ny fandikàna avy aty amin’ny mpanao gazety izany ary hitondranay ny teny fialan-tsiny betsaka ho an’ireo olona voakasika sy ny fanohintohinana mety ho naterak’izany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici