
Raha mafotaka ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 aty amin’iny faritra Analamanga, ny asa ratsy kosa no miha-mahazo laka any amin’iny faritra Bongolava iny. Ny faran’ny herinandro lasa teo, zazakely iray no nalain’ny dahalo natao takalon’aina nandritry ny fanafihana nitranga tany amina tanana iray tao amin’ny kaominina Belobaka. Omby am-polony maro no lasan’ireo dahalo mirongo fiadiana tamin’izany.
Na dia eo tokoa aza ny fametrahan’ireo mpitandro filaminana marobe, naely tany amin’ireo faritra maro voalaza hanjakan’ny asan-dahalo dia tsapa tato ho ato fa vao maika miha-mirongotra izany. Tsy ny amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy ihany fa saika manerana ireo faritra maro eto amintsika. Toy ity tany amin’iny faritra Bongolava dia niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny vondron-tafika iraisam-piadiana faharoa, izay vao napetraka taona vitsy lasa izay. Nanao ny fanarahan-dia ireo andian-dahalo vao nanafika sy nitondra takalon’aina ireto. Tao amin’ny fokontany Fenomanana Analatsifaka, kaominina ambanivohitr’i Belobaka no nifankatratra ny roa tonta ary raikitra ny fifandonana mahery vaika. Vokany, nisy roa tamin’ireo dahalo no maty voatifitra. Nahita izany kosa iretsy namany dia rafitra nitsoaka. Azo teny am-pelan-tanan’ireo malaso araka izay ireo omby avy nangalariny. Ilay zaza nalain’izy ireo an-keriny kosa dia navotsotr’izy teny an-dalam-pitsoahana. Avotr’ireo mpitandro filaminana ary efa tafaverina soa aman-tsara eny anivon’ny fianakaviany.
Fa ankoatr’izay dia fantatra fa nisy ihany koa fifandonana mahery vaika nitranga teo amin’ireto mpitandro filaminana avy amin’ny vondron-tafika iraisam-piadiana ireo tao amina fokontany iray tany amin’iny kaominina Akavandra iny. Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy ny fisafoana sy famakiana kizo natao tao Beambiaty. Mbola nisy dahalo namahatra moa tao amin’io kizo ary mbola nisy omby halatra nafenina ihany koa. Vokatr’ity fifandonana ity dia fantatra fa dahalo telo no indray tsy afa-manao ny asa ratsiny intsony ary maromaro ihany ireo naratra saingy nentin’ny namany nitsoaka. Azo teny am-pelan-tanan’izy ireo kosa ny omby 28 isa izay nampidirina am-balam-pamonjàna avy hatrany aloha, mandrapaha-vita ny fanadihadiana ataon’ny tompon’andraikitra ary hamerenana izany amin’ny tompony. Mbola mitohy kosa ny hazalambo atao amin’ireo olon-dratsy tafatsoaka.
m.L