- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversBoriborintany Faharoa : Matotra ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

Boriborintany Faharoa : Matotra ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina

Tsy ho vitan’ny Fanjakana irery ny asa fampandrosoana ny boriborintany iray, indrindra fa ny eoamin’ny fiahiana ara-tsosialy ny vahoaka sahirana ao aminy, tsymaintsy ilana fiaraha-mientana amin’ny sehatra tsy miankina izany. Io fehezanteny io no nentin’Andriamatoa Rabemananjara Charmant D’Assise, delegen’ny boriborintany faharoa nisaotra sy nidera ny fandraisan’ny Tale jeneralin’ny orinasa Perfect, Ramatoa Ranaivojaona Sylvia, ny zoma 31 désambra lasa teo. Andro natokan’ity orinasa misehatra amin’ny fifandraisana sy ny asa printy ka manana ny foiben-terany ao amin’ny boriborintany faharoa, nizarana vary sy laoka ho an’ireo olona sahirana 200 mponina ao anatin’ny fokontany efatra ao an-toerana. Nandritra izany no nanambaran’ity tale jeneraly ity fa vonona hatrany ny tenany sy ny orinasa tantaniny hifanampy sy hanohana ny mpitondra eo anivon’ity boriborintany ity amin’ny fitadiavana vahaolana hamahana ny fahasahiranana mianjady amin’ny mponina, indrindra fa ireo tanora. Notsindriany manokana tamin’izany ny fananan’ny orinasa Perfect tetikasa hanofana ireo tanora amin’ny fampananana asa izay tsy maintsy hatomboka sahady amin’ity taona vaovao ity. Ny tanjona, hoy izy, dia hamolavola tanora vonona handray andraikitra sy hiahy ny hoaviny fa tsy hiandry hotoloram-potsiny. Koa niantso izay liana amin’izany tetikasa izany ity mpandraharaha ity mba hanatona ny biraom-pokontany efatra (Tsiadana, Ambatoroka, Ambanidia, Volosarika) izay nofidiana hisantarana izany tetikasa izany.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici