- Publicité -
jeudi, octobre 2, 2025
AccueilFaits-DiversBoriborintany fahatelo : Mafy ny fifandonana, zaza iray naratra mafy

Boriborintany fahatelo : Mafy ny fifandonana, zaza iray naratra mafy

Ilay Zaza naratra mafy.

Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny amin’ny boriborintany fahatelo omaly tolakandro. Nangingina ny tapak’andro maraina toy ny hilamina ny tanàna. Tazana teny amin’ny manodidina teny ny mpitandro filaminana. Tonga tsikelikely ireo olona marobe avy eny Antaninandro, Andravoahangy, Ankadifotsy sns iny nanomboka tamin’ny tolakandro. Marobe ireo olona teny an-toerana nahita ireo tanora mpianatra, olon-tsotra, tazana teny ihany koa ny mpanao politika maromaro. Niditra tamin’ny fifampiresahana tamin’ireo mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana ny amin’ny anomezan-dalana azy ireo haneho hevitra ary hihazo an’Ambohijatovo. Tsy namela hatramin’ny farany ny mpitandro filaminana na dia nisisika mafy aza ireo olona marobe. Taorian’izay niroso tamin’ny fandravana ireo mpanao fihetsiketsehana ny Emmo/Nat. Raikitra ny tifitra baomba mandatsa-dranomaso. Nahery vaika ny fandravana sy ny fanenjehana ireo mpitolona teny amin’ny Rasalama, Ampandrana, Ankadifotsy hatrany Andravoahangy. Niditra hatrany anaty elekalantrano mihitsy ireo mpitandro filaminana nanenjika ireo olona ireo Marobe naratra tao anatin’izany fihetsika maherisetra rehetra izany, marobe ny naratra teny amin’ny boriborintany fahatelo. Anisan’izany ny zazalahikely iray teo Andravoahangy Ambony. Nipitihan’ny baomba mandatsa-dranomaso teo amin’ny lohany. Naratra be teo amin’ny lohany ilay zaza ary feno ra izy. Nifamonjen’ny olona izy io ary nisy ireo dokotera nanolo-tena nanampy nitsabo ireo mpitolona. Nisy ihany koa ny ankizy naratra teny Ankadifotsy Befelatanana izay tratran’ny baomba mandatsa-dranomaso. Navoaka teny ambony rihana sy tafo ireo olona tao amin’ilay Trano. Teo ihany koa ny naratra tamin’ireo teny an-dalana na olon-tsotra na ny mpanao fihetsiketsehana. Dokotera sy infirmiera maromaro nanolo-tena nanampy nitsabo ireo naratra. Nitsabo maimaimpoana izay naratra sy sempotra vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici