- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversBoriboritany fahatelo : Mpanendaka efatra tratra am-bodiomby

Boriboritany fahatelo : Mpanendaka efatra tratra am-bodiomby

Nahitam-bokany ny hetsika ho famongorana ny sinto-mahery sy ny harom-paosy nataon’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro, amin’ny alalan’ny fampiasana polisy tsy manao fanamiana. Mpanendaka efa-dahy  no voasambotra nadritra ny fisafoana nataon’ireo andiana polisy ireo teny Tsiazotafo sy Behoririka, ny Alarobia 13 septambra teo. Teny Tsiazotafo ny roa voalohany no tratra. Tsy nampoizin’ireto jiolahy, fa hay polisy no nijoro tsy lavitra azy raha iny izy ireo nitsaika paoketran’olona iny. Torak’izany ihany koa ny roa lahy izay azo teny Behoririka. Nandritra ny famotorana azy ireo, dia niaiky ny heloka vitany izy ireto jiolahy ireto. Nalefa eny Antanimora avy hatrany moa izy ireo rehefa natolotra ny Fitsarana, omaly.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici