Manao ny ezaka hampiverina ny filaminan’ny vahoaka ao Brickaville ny borigadin’ny
zandary ao an-toerana, izay no nanangan’izy ireo ny TAFA na Tanamaron’ny
fandriampahalemana. Tratra tao anaty trano fandraisam-bahiny iray tao an-toerana ity
vehivavy ity sady mpisoloky no mpanao vola sandoka ary mpanaparitaka izany ihany koa.
Naharay fitarainana maro ny borigadin’ny zandary Brickaville ka nataon’izy ireo ny fanaraha-
mason’izany hentitra andro maromaro. Milaza ho mpandraharaha mantsy ity vehivavy ity ary mpivarotra ambogadiny enta-madinika ny asany araka ny filazany; sahin’izy ireo noho izany ny maka vola an-tapitrisany amin’ireo mpivarotra sy mpamongady entana manodidina rehetra mandritra izany. Rehefa haka ny entana nafarany nefa ireo mpivarotra dia milaza indray izy fa lany ny entana ka haverina ny vola naloan’ilay mpividy entana. Eo no miasa amin’izay ilay fampiasana ny vola sandoka, ireo vola sandoka no omeny ireo olona izay tsy mahalala akory hoe vola sandoka no azony. Tamin’ny fahatrarana ity vavy ity tao amin’io trano fandraisam-bahiny iray ao Brickaville io, dia mbola tratra tao aminy ihany koa ny vola sandoka maromaro sy ny fitaovana fanaovana izany, ka tsy afaka nandà intsony ny fomba fanaony ity vavy tratra ity. Manao tohivakana ny fitoriana mianjady aminy noho ireo mpivarotra sy mpamongady maro ny efa tratrany taminy fampiasana io vola sandoka io. Milaza ireo efa tratrany, izay olona telo teo, fa olona mahay miresaka sy mifandray aman’olona izy, ka tratran’ny fandraikiraikena ireo olona vokatra izany. Efa mandeha ny fanadiadiana mikasika azy izay hiakatra fitsarana savaranonando tsy ho ela, mba ahalalana ny olona mifandray tendro aminy aty ambadika, hoy ny zandary.
Malala Didier