Olona nandeha fiara tamin’ny “Boulevard de l’Europe” no sendra mpanendaka, na ny marina kokoa voatora-bato tamin’ny alahady alina teo. Vatobe mihitsy ilay izy. Tsy nanampo na inona na inona izy ireo, fa rehefa teny aminn’y lalamby, nisy nitoraka vatobe ny fiara nentiny. Soa fa nihidy avokoa ny fitaratra. Na izany aza anefa, vaky ny tandrifin’ny mpamily. Rehefa nozohina ny fandehan-javatra, dia ny saofera mihitsy no kendren’ireo olon-dratsy, ka raha sendra mivoha ny fitaratra tandrifiny dia izy no tsy maintsy voa. Araka izany, hoy ihany ireo niharan’ity zavatra ity, raha mijanona ny fiara dia avy ireo mpandroba. Na izany aza anefa ny fahavoazana dia tsy nijanona ry zareo fa afaka nanohy ny lalany. Nampita izao voavao izao ireo sendra ity zavatra ity mba hitandreman’ny sasany.
r.s.