Saika isan-kerinandro indrindra amin’ny fiafarany iny dia matetika hitrangana loza mahatsiravina tsy maintsy hamoizana aina iny boulevard Ratsimilaho, eny amoron-dranomasin’i Toamasina vao namboarina iny, eto Toamasina. Ny sabotsy no nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana nifandonana fiarakodia sy scooter iray, saingy ny alahady no nodimandry ilay mpitondra scooter izay mpiasa eo anivon’ny kaominina suburbaine Toamasina, manao ny asa polisy monisipaly. Araka ny fanazavana dia tsy ilay fiara nifanena taminy no nandona azy, fa ny fandehanany mafy tamin’ilay scooter ka napitiny teny amin’ny rindrim-baton’ny boulevard Ratsimilaho, raha iny nanindry hisatra tampoka iny. Raha nisavoritaka tamin’ilay olona naratra mafy sy nitondra azy teny amin’ny hopitaly ny olona, dia ilay fiara roa nifanena taminy, na tsy nandona azy aza, dia nanatona mpitandro filaminana avy hatrany nilaza ny tena zava-nisy, satria nihevitra izy ireo fa maty ilay tovolahy nipitika tamin’ny moto, ary nametraka vola iray tapitrisa ariary hikarakarana ny razana. Raha ny fantatra dia entina any Fenerivo atsinanana ity tovolahy maty ity, izay tany niaviany ihany. Ankaotra izany maro ireo milaza fa tsy ampy vono omby ny fitokanana ity lalana ity, ka izao manao sorona olona isaky ny faran’ny herinandro izao foana. Samy manana ny heviny ny rehetra fa ny azo ambara anefa dia maro ny tsy fitandremana amin’iny lalana iny, indrindra fa izay avy nampiakatra dozin’ny zava-pisotro sotroiny.
Malala Didier