- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-Divers« Box MIAMI » Toamasina : Notsaraina omaly ny raharaha

« Box MIAMI » Toamasina : Notsaraina omaly ny raharaha

Raha ny filazana nataon’ny fitsarana nandritra ny fiakaran’ilay raharaha famarotana trano eva na “Box” teny amin’ny moron-dranomasin’i Toamasina antsoina hoe “MIAMI”. Nandeha omaly ny fitsaràna mikasika ireo olona roa voaroiroy namoaka ilay vaovao, ka ny iray voatery nihazonina fonja vonjy maika alohan’ny nahazoany famotsorana azony talohan’ity fivoahana didy ity. Nampisy fanehoan-kevitra maro tamin’ny tamban-jotran-tserasera “facebook” ity raharaha fitsarana sy fihazonana ilay tovovavy namoaka azy tamin’io tamban-jotra io. Nisy mantsy ny famoahana vaovao nataony fa misy “Box” na trano eva amidy eo amin’ity “MIAMI” ity, araka ny voavao voarainy; ka izy izao nenjehan’ny fitsarana aminy “famoahana vaovao tsy marina” sy “fanelezana zavatra tsy azy amidy” izao. Araka ny fantatra mantsy dia ny fitsarana ihany no mpanenjika amin’izao raharaha izao araka ny nambaran’ny mpisolovava, fa tsy misy olona hafa mpitory ilay raharaha. Raha ny marina mantsy hoy ny mpisolovava ity tovovavy notsaraina ity, dia tsy tokony olona roa izy ireo no niatrika fitsarana fa telo, saingy ilay fahatelo noheverina ho nahatonga ilay raharaha nivoaka tsy tao anaty an-totantan-taratasim-pitsarana mihintsy ka tsy voanatso teny hatrany amboalohany. Nomarihan’ilay mpisolovava an’ilay tovovavy mpanera namoaka ilay filazana “Box” teny amin’ny “MIAMI” ity namidy. Hanenjika ny olona fahatelo tokony nkiatrika ny fitsarana tsy voaantso ity. Nandritra ny fitsarana koa anefa raha nanotany azy ny mpitsara raha efa nandray vola ny tenany tamin’ny famoahana ilay vaovao diso sy tsy misy, dia nilaza ny tenany fa tsy mbola nandray na dia ariary aza. Mbola ho lava izany ity raharaha ity raha jerena ny zava-misy. Ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina no mikirakira ity raharaha ity.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici