- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Andian’olona midobo tany

Brickaville : Andian’olona midobo tany

Very fanahy mbola velona tanteraka ireto tompon’ny tany mitondra ny titra 2526-BC, ao Maromaniry, fokontany Cinzano, kaominina Brickaville. Raha ny nambaran’Atoa Jaonarison Rolland, isan’ireo mpandova, dia misy andian’olona mibodo tsotr’izao izany tany izany. Ary tsy vitan’ny mibodo fotsiny fa mbola mandratra, mandrahoana ary mangalatra ireo voankazo maniry eo amin’izany tany izany, anisan’izany ny letchis. « Tsy vitan’ny hoe roa na telo garaba no alain-dreo fa efa aman-jatony » hoy hatrany izy. Efa nisy disadisa tany aloha mahakasika ity tany ity, ary niafara tamin’ny fitoriana sy fanagadrana izany. Nahazo rariny hatrany ireto tompon-tany saingy mbola tsy nahafaly hatrany ireo ankilany izany, ary mitohy hatramin’izao.

Resaka vokatra « letchis » no nifandirana indray amin’izao, nanomboka tamin’ny fisokafan’ny taom-piotazana teo. Raha ny nambaran’ny tompon-tany dia efa naka « ordonance » izy ireo ho fiarovana sy tsy hikitahana ny vokatra. Tsy izay anefa no nitranga fa vao mainka nirongatra naka izany ireto andian’olona ireto, ary nilaza fa manana fahazoan-dalana ihany koa hanao izany. Nametraka fitoriana araka izany ireo tompon’ny tany ary nosamborina sy ny natolotra ny teny anivon’ny Fampanoavana ireto olona ireto. Nomena fahafahana vonjimaika moa izy ireo, mandram-piandry ny fotoam-pitsaràna amin’ny 26 janoary ho avy izao. Miahiahy fatratra ny mety hisian’ny zavatra hafa ao anatin’ity raharaha ity ireto mpandova ny tany ireto, raha ny fitairanan’izy ireo hatrany. Olona efa tratra ambodiomby mangalatra izao mantsy dia mbola nomen’ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika. Ankoatr’izay, ny fandrahonana isan-karazany avy amin’izy ireo sy ny filazàna fa manana olona ambony etsy andanin’izay. Amin’izao dia voalaza haka karan-tany amin’ny tanin’izy ireo, ireto olona ireto. Miangavy ny tompon’andraikitra isanisany araka izy ireo fa indrindra ny fitondram-panjakana, mba hijery akaiky ity toe-draharaha ao Brickaville ity. « Raha izao no mitohy mantsy, mety hamoha adim-poko ny raharaha, satria azo lazaina fa mpivahiny ireto andian’olona ireto any an-toerana ary efa olona maro any Brickaville no  hanaovan’izy ireo an’izany» raha ny fanazavana nomen’ity solon-tenan’ny fianakaviana ity hatrany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici