Vehivavy lehibe iray 60 taona sy zazalahy kely tokony ho 6 taona, no maty noho ny fihinanana ovy rangitrika, na oviala, tany amin’ny kaominina Ambalarondra, distrikan’i Brickaville, omaly. Voalaza koa fa mbola nisy olona 11 hafa narary vokatry ny fihinana izany omaly ihany, tany an-toerana. Nentina namonjy hopitaly tany Ambilamaina haingana ireo olona ireo. Tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny vadin’ny depiote ary ny mpitsabo tompon’andraikitra voalohany any Brickaville. Nanome fanafody sy fanampina ireo olona tra-boina ireo ny manampahefana any an-toerana. Efa tsy misy atahorana ireo mbola marary rehefa nahazo fanafody, raha ny fanazavana. Tokony ho 25km miala ny lalam-pirenena faharoa ity toerana nitrangana fahapoizinana ara-tsakafo ity. Raha ny fanazavana ihany, matetika ny olona any amin’iny faritra iny no manao sakafo io karazan’oviala io. Tsy nisy naninona hatramin’izay, saingy tamin’ity kosa, izao nahitan-doza izao. Mety misy fotoana tsy ahafahana mihinana azy io, na misy karazany, saingy tsy tandrin’ireo olona izany. Misy ny fanadihadiana misokatra manolona izany, ankoatra ny fijerena akaiky ataon’ireo manampahefana any an-toerana.
Yv Sam