Lehilahy iray manodidina ny 30 taona any ho any no hitan’ny olona nitsirara teo am-povoan’arabe tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny, omaly vao maraim-be, teo amin’ny kilaometatra vitsivitsy miala ny tanànan’i Brickaville, raha hizotra hiatsinanana. Efa tsy nisy aina intsony moa ity lehilahy ity izay nilomano tao anaty rà mandriaka. Ny fizahana ny razana ihany koa no nahafantarana fa vaky ny lohany ary nipotsaka ny atidohany. Heverina fa nodomin’ny fiara izay mpindrana an’iny lalam-pirenena izy io, saingy tsy hita ary tsy fantatra kosa izay fiara nahavanon-doza tamin’izany. Tsy nisy nahita ny tena zava-nitranga ihany koa tetsy andanin’izay ireo mponina teny an-toerana. Ny somary nampalahelo, dia efa elaela ihany no nisian’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga saingy samy tsy nisy nijanona fa dia nitazam-potsiny avokoa ireo fiara rehetra nahatazana ity fatin-dehilahy ity. Fiara iray nitondra mpitandro filaminana no nijanona ary nampandre avy hatrany ny namany tamin’ny fisian’ity fahitàna fatin’olona ity. Fantatra moa fa efa naterina tany amin’ny tobim-pahasalamana ny razana ary efa manokatra ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana voakasik’izany.
m.L / Janus