Mpitandro filaminana iray indray no saika niharan’ny hatezeram-bahoaka tany Vohitranivona, Brickaville, afak’omaly. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia toa hoe mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny prezidansa ity olona ity ka saika hanararaotra ny maha izany azy. Soa ihany anefa fa tonga haingana ireo tompon’andraikitra nandamina ireo fokonolona fa raha tsy izany dia mety ho ratsy ny fandehan-draharaha. Ny zava-nitranga dia tonga tany an-toerana izy ireo namangy ny havany. Avy eo nandeha tany amin’ny fivarotana zava-pisotro ary tao no niseho ny disadisa. Nisy tsy fifankahazoana mantsy teo aminy sy ny tompon’ity trano ity ary saika hanampatra ny maha-mpitandro filaminana azy. Nandrangaranga ny basiny sy nandrahona ireo olona tao. Izay no nahatezitra ireo mponina ka nitroatra ary saika hamono ity olona ity. Niditra an-tsehatra avy hatrany moa ny tompon’andraikitry ny tanana niezaka nandamina ny raharaha mba tsy hitatra loatra. Na izany aza anefa dia efa niharan’ny daroka ihany ity farany.
Nangonin’i m.L