- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Noleran-drangahy antsy ny vadiny, fa nangalatra ny karamany

Brickaville : Noleran-drangahy antsy ny vadiny, fa nangalatra ny karamany

Tena ity trangam-pamonoana olona niseho tao amin’ny fokontany Ambodipolomisy kaominina Vohitraninona distrikan’i Brickaville ity, satria noho ny fangalaran’ny vadiny ny ampahan-karamany nisotroany toaka no namonoan-drangahy azy tamin’ny tsindrona antsy, ny taona lasa. Raha ny fanazavan’ny teo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava omaly, dia avy naka ny karamany tamin’ny mpampiasa azy tao Brickaville izy, noho izy mpiambina ny tany misy fambolena an’ity teratany vahiny iray. Vola 240.000 ariary ny karamany tamin’izay ka nampiriminy izany vao tonga tao an-trano izy, fa tsy nomeny ny vadiny ary lasa izy nivoaka kely taorian’izay. Gaga anefa izy raha niverina avy tany fa sady mamo ramatoa vadiny no tsy ampy 40.000 ariary ny vola tao anatin’ny vata nanitrihany azy. Raikitra avy hatrany ny adin’izy ireo ka izao niafara tamin’ny fanindronana antsy am-badiny izao, izay niantefa teo amin’ny fon-dRamatoa ka niteraka fahafatesana haingana ho azy. Nandohalika teo anatrehan’ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava sy ireo mpitsara mpanampy miara-mitsara aminy mihitsy ity rangahy mpamono vady ity, tamin’ny nenina nanenjika azy taorian’izao vono olona izao; ka raha sazy am-ponja mandra-pahafatiny no saika azony noho ilay vono olona feno habibiana, dia namela heloka ny fitsarana ka sazy dimy taona asa an-terivozona sy dimy taona tsy mandia faritany no azony…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici