- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Pasitera tratra nanendaka, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Brickaville : Pasitera tratra nanendaka, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Tsy mifidy olona tokoa ny asa ratsy. Pasitera iray avy ao amin’ny fiangonana zandriny iray indray no tratran’ny fokonolona nanendaka, omaly maraina. Tany Brickaville no nitranga ny tantara. Raha ny fitantaran’ireo vavolombelona nanatri-maso, dia nanararaotra ity vehivavy iray variana nividy zavatra tao amina « grossiste » ilay pasitera, no nisintona tampoka ny paoketrany. Avy hatrany ity farany dia nitsoaka nitady toerana hiafenana. Tsy nijery fotsiny anefa ny fokonolona, fa nanampy ity vehivavy voaendaka. Rehefa natao ny fanenjehana dia tratra ihany ilay pasitera ary saika niharan’ny fitsaram-bahoaka raha ny hatezeran’ireo rehetra nanatrika. « Efa tsikariny na fantany ho nanam-bola be angamba ity madama ity, dia narahiny dia izao nendahiny izao » hoy ny fitantaran’ny vavolombelona iray. Soa fa tonga ara-potoana teny an-toerana ny teo anivon’ny zandarimaria nijery akaiky ny toe-draharaha. Marihina fa mitentina eo amin’ny 13 tapitrisa ariary eo ny vola tanatin’ilay paoketra saika lasan’ilay pasitera. Efa notazonina ao amin’ny biraon’ny zandary ilay pasitera nanaovana ny fanadihadiana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici