- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Sazy mihantona roa taona ho an’ilay pasitera nanodinkodina zaza tsy...

Brickaville : Sazy mihantona roa taona ho an’ilay pasitera nanodinkodina zaza tsy ampy taona

Raha mbola mikaroka ny pasitera Marc Tatandraza, sy ireo mpino niara-nitsoaka taminy any anaty alan’i Soanierana Ivongo ireo mpitandro ny filaminana avy ao Fenerivo atsinanana, dia tranga hafa nataon’ny pasitera hafa indray no niakatra fitsarana ady heloka teto Toamasina. Nandritra ny fitsarana natao izay natrehan’ilay pasitera, Zoentsoa Zafindrahova Niriko Bernard, avy amin’ny fiangonana zandriny miasa ao Brickaville. Tsy tonga kosa ny mpitory sy ilay tovovavy 17 taona tamin’ny nitrangan’ny raharaha ny taona 2016. Ny fitondran’ity pasitera ity ilay tovovavy tany Ambositra tsy nahazoana alalana avy amin’ny ray aman-dreniny no nahatonga ny olana fanodinkodinana zaza tsy ampy taona. Tamin’izay dia ny zandary tao Ambositra no nisambotra azy sy ilay tovovavy ka namerina azy tao Brickaville nanaovana ny famotorana. Nandritra ny fiarovan-tenan’ilay pasitera dia milaza ho vonona haka vady ity tovovavy tsy ampy taona tamin’ny nitrangan’ny raharaha ny tenany raha mivoaka ny fonja; nefa ny fifandaharana natao teo anivon’ny fitsarana no nahafantarana fa efa manam-bady ara-dalana any Ambositra ity pasitera ity. Vokatr’izay, na niaiky ny heloka vitany aza ity pasitera ity, dia nilatsaka ny didim-pitsarana fananarana azy ka namoahan’ny filohan’ny fitsarana ny didy mamonja azy roa taona an-tranomaizina ao Ambalatavoahangy, saingy atao sazy mihantona izany. Tsy nipoitra tamin’izao raharaha nitsarana ity fanodinkodinana zaza tsy ampy taona ity kosa ny ray aman-drenin’ilay tovovavy mpitory sy ilay tovovavy niharan’izany fanodinkodinana zaza tsy ampy taona izany, ka tsy neken’ny filohan’ny fitsarana ny nanome ny onitra nangatahan’izy ireo…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici