Io vava tsy ambina io ihany matetika no ahitan-doza. Rangahy iray monina ao amin’ny fokontany Andranokoditra, ao amin’ny kaominina Hoavimamiratra, any amin’iny distrikan’i Brickaville iny no niharan’ny fitsaram-bahoaka. Voalazan’ireo mponina tany an-toerana mantsy fa nanapoizina zaza iray, 13 taona, tamin’ny manga io lehilahy io. Namoy ny ainy vokatr’izany fanapoizinana nahazo azy izany ilay ankizy. Antony nampirongatra ny vahoaka, hampianjera ny hatezerany tany amin’ilay rangahy. Ny faran’ny herinandro teo no niseho ity tranga ity. Raha ny zava-nisy tokoa mantsy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimarim-pirenena dia misy mangalatra foana ny manga maniry eo an-tokotan’io rangahy 63 taona. Nahavoaka vava mihitsy izy tamin’izay fotoana izay, ary henon’ny manodidina, fa hoe hovonoina izay ankizy mbola tratrany mangalatra ilay manga. Niseho tokoa ary ny tsy nampoizina. Zaza iray, izay nambara fa isan’ny fianakavian’ity rangahy ity ihany no namoy ny ainy, efatra andro taorian’ny nihinany manga, izay nalainy teo amin’ilay hazo naniry. Fifanandrifin-javatra sa tena nopoizinina tokoa ilay manga? Tezitra noho io ireo olona ka novonoin’izy ireo ilay rangahy. Soa ihany anefa fa tonga haingana tany an-toerana ny zandary nanala izany rangahy izany ka avotra soa aman-tsara, eny fa na dia naratra mafy tokoa aza. Nisy ny fifandaminana teo amin’ny roa tonta ka afaka nitondra an’ity lahiantitra ity tany amin’ny mpitsabo ny zandary. Notanana moa izy io avy eo natao famotorana.
m.L