Nirohoroho saina avokoa ireo mponina rehetra tany amin’iny faritra Andevoranto, Brickaville, ny voalohandohan’ny volana teo. Zandary iray, tompon’andraikitra teo amin’ny tanàna mantsy no voarohirohy tamina resaka fanafihana hôtely tany Andavakimena, Kaomina Andevoranto, Brickaville. Raha ny tranga : nisehoana fanafihana ny alin’ny 8 septambra tao amin’io hôtely. Araka ny voalazan’ireo zandary nanao ny famotorana dia avy nivarotra fiara ity tompona hôtely ity roa andro talohan’ny fanafihana. Ankevitry ny naheno izany angamba ireo jiolahy ka avy hatrany dia nanafika ilay tompon-trano sy nitaky ny vola. Vantany vao tafiditra izy ireo dia nosaromany lamba sy nofatorany ilay vazaha tompon-trano, tsy hahita ny endrik’izy ireo. Novonoiny ihany koa ny jiro ka ny tara-bolana sisa nanazava tao an-trano, araka ny filazan’ny mpitandro filaminana hatrany. Raha ny vaovao voaray dia novonoin’ireo jiolahy roalahy mihitsy ny tompon-trano hitakiana ilay volabe. Ambim-bola kely mitentina sivy hetsy ariary sisa no tao aminy ka lasan’ireo jiolahy. Talohan’izay dia nasain’ity tompon-trano novahana ny fatorany, ahafahany manome azy ireo ilay vola. Nandray antsy anefa ny tompon-trano ka nandratra ny tapany ambonin’ny iray tamin’ireo jiolahy. Lasa ireo olon-dratsy, nametraka fitarainana avy hatrany ity teratany vahiny ity, ary nilaza ny nanjo azy tamin’ireo manodidina azy. Samy variana avokoa anefa ny rehetra fa ny marain’io fanafihana io dia naratra mafy toa voadidin’ny antsy ny tarehin’ny Lehiben’ny tobina zandary teo an-toerana. Nandeha ihany koa ny feo fa isan’ilay nanafika io mpitandro ny filaminana io. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony sy famotorana nataon’ny Fari-piadidian’ny zandary tany Toamasina raha vao nahare io zava-niseho io. Voalazan’ity zandary voatonona ity fa toa hoe naratran’ny fanitso izy ny alin’io raha nanao zavatra tao an-tranony, hoy ireo mpanao famotorana. Natolotra ny Fampanoavana ny 20 septambra teo ny raharaha, ka olona roa, ilay mpitandro filaminana ny iray, ary mpiasa iray hafa, efa tsy miasa amin’ilay toerana intsony ny iray. Nahazo fahafahana vonjimaika avokoa izy roa lahy ireto. Na dia eo aza anefa izany dia nisy ny fepetra noraisina, raha ny fanambaran’ny Kômadin’ny fari-piadiadin’ny zandary any Toamasina, dia ny fanalàna ity mpitandro filaminana voarohirohy ity tany an-toerana ary ny famindrana azy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao, miandry ny fotoam-pitsaràna.
m.L