Hatramin’ny ora nanoratana dia mbola tsy hita izy roa lahy, zandary miasa eo anivon’ny tobim-paritra Anivorano-Est. Namita iraka izy ireo ary nisy toerana tsy maintsy nampiasàna lakana mba hiampitàna rano. Ny zoma alina manodidina ny tamin’ny valo ora alina no nivadika ny lakana niampitany raha nahery ny rano vokatry ny orana. Iny alina iny ihany dia natao ny fikarohana rehetra saingy tsy nahitam-bokany aloha. Niara-nisalahy ny fokonolona sy ny manam-pahefana samihafa. Misy ny mpitandro filaminana izay tena miady aman’aina amin’ny fanatontosàna ny asany. Rehefa tsy mifanehitra amin’ny dahalo dia mbola olana koa ny tsy fahampiana ara-pitaovana. Isan’ny vokatr’izany ity faharendrehana amin’ny lakana ity. Miferin’aina mihitsy ny maro rehefa halefa mamita iraka any ambanivolo satria mety tsy ho tafaverina velona intsony. Sarotra ny fanatontosana ny asa raha vao miala eto an-drenivohitra fotsiny…
D.R
Indrisy mantsy ry fireneko, raha mbola mpitondra tahaka ireo dia aza misafidy hanao mpitandro filaminana aloha fa ny fahombiazana @ asanareo dia ny fitaovana no lehibe indrindra ka kely ny vintana @ fahombiazana raha ny fitaovanareo no tsy zarizary, vokany efa maro taminareo no efa namoy ny ainy vokatra izany .