- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBrickaville : Zaza maty voahitsaky ny lamasinina

Brickaville : Zaza maty voahitsaky ny lamasinina

Nisehoana lozam-pifamoivoizana an-dalamby tany amin’iny faritra Atsinanana iny, ny sabotsy lasa teo. Araka ny fantatra, dia zazavakely iray no namoy ny ainy, rehefa voahitsaky ny lamasinina teo Brickaville, raha ny vaovao azo amin’ny zandary misahana iny toerana iny. Loza izay nitranga tao amin’ny kaominina Lohariandava, distrika Brickaville, tamin’iny lalam-by zotra Antananarivo – Côte Est iny. Ny angom-baovao azo hatrany no nahafantarana, fa nandeha tongotra ary saika hiampita lalam-by ity ankizy 9 taona ity. Heverina araka izany, fa mety ho tsy ho tazany ilay lamasinina nipoitra avy any ary tsy tana intsony ny fisehoan’ny loza na dia niezaka niala ihany aza izy. Voarain’ny kodiaram-by ary voatety mihitsy. Nandriaka ny rà ary namoy ny ainy teo ho no eo ilay zaza. Marihana, raha ny angom-baovao hatrany, fa fiaran-dalam-by fiasana ity namoa-doza ity, fa tsy mpitondra entana akory. Efa tonga tany an-toerana nijery ny zava-nisy moa ireo tompon’andraikitra rehetra, na ny teo anivon’ny sampana misahana ny lalam-by na ireo mpitandro filaminana.

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici