- Publicité -
jeudi, janvier 8, 2026
AccueilFaits-DiversBrieville-Betsiboka : Very fanahy mbola velona ny mpiasan'ny " Kraoma "

Brieville-Betsiboka : Very fanahy mbola velona ny mpiasan’ny  » Kraoma « 

Diso fanantenana sy very fanahy mbola velona ny mpiasan’ny  » Kraoma,  » any amin’ny kaominina ambanivohitra Brieville, manoloana ny fitaka hafitsokin’ny Tale Jeneraly sy ireo olona mpiara-miasa aminy, ao amin’ny orinasa. Ny angom-baovao no nahalalana fa nisy fampanantenana tamin’ny fivarotana Vy milanja ( 30 taonina, ) an’ny orinasa, izay hanomezana ny vola hoan’ny mpiasa ny talohan’ny Krismasy lasa teo iny. Efa nigadona hatrany ny taona 2026 fa tsy hita ny vola azo tamin’ny famarotana izany hatreto. Natao fitaovana entina nivarotra, io Vy io ny anaran’ireo mpiasan’ny Kraomita. Voalaza fa vola kely tsy nahavita na inona no nomena azy ireo. Vola 1000 Ariary ny vidin’ny Vy 1kg, milanja 30 taonina. Ny vola nozaraina tamin’ireo mpiasa 400 isa dia 20.000 Ariary isan’olona, izany hoe mitaotaly: 8 000 000 Ariary.  Tsy hita ny ambim-bola no mahatsiaro nabadoana ireo mpiasa, ka manao izao fitarainana izao. Voalaza ihany koa fa ny ben’ny tanàna any an-toerana no nanao ny famoahana ny taratasy famarotana, ireo Vy ireo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Les « collegues et actionnaires Russes » ne sont pas pressé d’honoré leur dettes: spilage des fonds Malagasy, désolé, vous etes leurs premieres victimes. Ce comme ca, dans leur systeme d’esclavage……

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici