Na dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra aza ny mpitandro ny filaminana any amin’ny tapany atsimo amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna iny, dia lasa very maina ny paikady napetraka hisorohana ny trangana « kidnapping, » izay mahazo vahana any amin’iny faritra iny an-kehitriny. Miaina ao anatin’ny tebiteby ny mponina any an-toerana, satria vao mitsidika ny volana janoary taona 2025 dia efa fanafihan-dahalo mitam-piadiana miaro fakana an-keriny no re etsy sy eroa. Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia jiolahy tsy voafaritr’isa no nanatanteraka fakana an-keriny, tao an-tampon-tanàna ny kaominina Brieville ny alin’ny 9 Janoary 2025 teo iny, tokony ho tamin’ny sivy ora, tany ho any. Vokany: lasan’ireo olon-dratsy ny ankizy mpianatra telo, izay avy any ambanivohitra ny androtr’io ihany. Tsy nisy nahasahy nihetsika ny olona iray tanàna, nandritra ny fidirana amboletra, nataon’ireo malaso tamin’ny ora voatondro etsy aloha. Tsy fantatra aloha hatreto ny lalana nizoran’ireo dahalo nitondra ankizy an-keriny. Mitohy kosa ny farahan-dia ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy amin’izao fotoana hanoratanay ny lahatsoratra izao.
Ratantely