- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBrieville Tsaratanana : Mpitsabo mpanampy nisy naka an-keriny ,takina 100 tapitrisa ny fianakaviana

Brieville Tsaratanana : Mpitsabo mpanampy nisy naka an-keriny ,takina 100 tapitrisa ny fianakaviana

Ny sabotsy faha-9 janoary 2019 tokony    ho tamin’ny 10 ora alina no nisy naka an-keriny tao an-tranony  ny  mpitsabo mpanampy  iray  miaraka amin’ny zaza roalahy  tao Manakana Brieville  ,Nirefodrefotra ny basy tao an-tanana ka rehefa lasa lavitra ireo jiolahy  dia nasainy niverina ireo zanany roalahy ary nomen’ireo dahalo  laharana finday izy ireo  ahafahana mifandray, satria  mitady 100 tapitrisa Ariary  amin’ny fianakaviana ny jiolahy  .Matahotra ireo fianakaviana satria raha niady varotra tamin’ireo mpaka an-keriny  izy ireo  dia ny fandrahonana ho faty ny havany  no valinteny voaray .Na dia nanara-dia aza ny fianakaviana sy ny fokonolona dia sarotra ny dia, satria mamakivaky lohasaha sy havoana ny lalana. Eo ihany koa ny tsy fisian’ireo mpitandro ny filaminana hanampy amin’ireny toerana lavitra ireny, araka ny nambaran’ny fianakaviana .Araka ny vaovao farany voarain’ny fianakaviana dia efa fantatra ny toerana anafenana ilay mpitsabo ,efa reraka ihany koa izy, hoy ny filazana, satria manana aretina mitaiza ity mpitsabo ity .Manao antso ho amin’ny fanjakana mahefa ny fianakaviana ny hanampiana azy ireo hitady ny havany ary ny tokony hampidinana mpitandro ny filaminana any Manakana izay toerana anebakeban-tany amin’ny faritr’i Tsaratanana iny .Mirongatra indray ny fakana an-keriny  any amin’ny faritra ambanivohitra  Brieville sy Tsaratanana iny ary efa samy mailo sy mitandrina ny rehetra. Fantatra ihany koa fa mitokona sy miray hina ireo mpitsabo amin’iny faritra iny  amin’ny tokony handraisana fepetra haingana hanavotana ny naman’izy ireo.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici