- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversBrigade criminelle Anosy : Nitory ilay vazaha ny vadin’i Manandafy

Brigade criminelle Anosy : Nitory ilay vazaha ny vadin’i Manandafy

Mivoatra hatrany ilay raharaha nampidirana am-ponja vonjy maika an’i Mahery Lanto Manadafy (Malama) eny amin’ny fonjaben’Antanimora andro maromaro izay. Omaly dia tonga teny amin’ny Polisy misahana ny heloka bevava na ny brigade criminelle (BC) etsy Anosy ny vadin’ity voalaza fa mpamelona lakolosy ity mba hametraka fitoriana ilay Vazaha nitory ka nampiditra am-ponja an’i Malama. Araka ny fanentanana izay nandeha moa dia maro ireo mpomba ity farany no tanga teny an-toerana izay niakanjo mainty sy mena ary nisalotra fehiloha sy fehisandry mifandraika amin’ireo loko ireo, izay mampatsiahy ny lokon’ny antoko notarihan’ny rain’ity voampanga. Ny anton’ny fitoriana moa dia ny fandrahonana an’i Malama ho faty nataon’ity Vazaha ity azy. Nitranga izany nandritra ny fanadihadiana azy teo anoloan’ny polisy mba hanerena ity voampanga hilaza izay loharanom-baovao nahafahany nitoroka sy nanely ny heloka nataon’ity Vazaha ity. Tsiahivina moa fa famatsiana bala sy fitaovam-piadiana ireo dahalo ka mahatonga ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny Firenena no navoakan’ny Malama tamin’ny tambanjotra serasera izay ity Vazaha ity no voalaza fa tompon’antoka. Nitory anefa ity Vazaha ity fa fanalam-baraka azy no nataon’i Malama. Omaly anefa dia tsy noraisin’ny BC ny fitorian’ny vadin’i Malama fa nolazaina fa tokony eny amin’ny Fampanovana no anaovany izany. Mahagaga ihany ny zava- misy satria raha ny fantatra hatramin’izay dia afaka mandray fitoriana hatrany ny Polisy na iza na iza mametraka izany. Nanaraka antsakany sy andavany izay nolazain’ny polisy tokoa ny mpitory avy eo ka nankeny amin’ny fampanoavana. Indrisy anefa fa mbola tsy norais’ity farany indray izy noho ny antony izay tsy dia mazava loatra. Manolona izany dia andrasana ny mety ho mbola ho tohin’ity raharaha ity.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici