- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversBrikaville : Miandrandra vahaolana avy amin ny filoha rajoelina ny mpiasan’ny Sirama

Brikaville : Miandrandra vahaolana avy amin ny filoha rajoelina ny mpiasan’ny Sirama

Mitohy hatrany ny fitokonana ataon’ireo mpiasa ao amin’ny Sirama Brickaville ,izay mitaky ny hialan’ilay orinasa mpanao zava-pisotro nomena ny fitantanana ity orinasa ity ankehitriny. Nisongadina izany ny zoma lasa teo tamin’ny fihetsiketsehana antaon’ireto mpiasa ireto nandritra ny fidinana tampoka nataon’ny filohan’ny Filan-kevim-pitantan’ny Sirama tany an-toerana ny zoma  17 may teo. Tsy hitondra vahaolana fa hanery ny mpiasan’ny Sirama hanao asa fihariana hafa toy ny fiompiana omby, akoho, trondro ary hamboly katsaka. .Nolavin’ireo mpitokona izany satria heverin’izy ireo fa mifono hevi-petsy. Alefa mandeha any antsaha ny mpiasa dia ampidirina moramora ilay orinasa, hoy ny fliazan’izy ireo. Noho izany, milaza izy ireo fa tsy mikendry hamaha ny fitakian’ny mpiasa mihintsy ny Minisitera tombon’andraikitra amin’ity raharaha ity.  Mikendry ny hanamora ny fidiran’io orinasa mpanao zava-pisotro ny PCA sao tratran’ny zato andron’ny Filoha nefa tsy misy zavatra vita, hoy hatrany ny fanontany apetrak’ireo mpiasa mitokona ireo. Noho izany, miandrandra vahaolana amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izy ireo mba hamaha izany olana izay. Takian’izy ireo ny hanaovana tolo-bidy mba hiantsoana orinasa mpiara-miasa vaovao raha tsy maintsy hizorana izany.

DR

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici