- Publicité -
lundi, février 9, 2026
AccueilFaits-DiversMahamasina : Bus tapaka hisatra, nahafaty olona

Mahamasina : Bus tapaka hisatra, nahafaty olona

Avy any Tsimbazaza, nidina Ankadilalana, ary hizotra ho any Mahamasina. Teo amin’iny  fidinam-be iny indrindra no nanomboka tsy voafehy intsony ny familiana ilay fiara lehibe mitondra ny marika Toyota Coaster. Nifatratra tany amin’ny kodiaran-droa scooter teo anoloany. Mbola tsy nijanona ny diany fa nanohy nandeha tamin’ny fidinana ary nitohy nankany Mahamasina, teo amin’ny manodidina ny Bazar du Quartier. Teo indray dia mbola nifaoka fiara roa samihafa, izay potika avokoa, vokatry ny dona, izay vao tena tafajanona. Ny antoandron’ny asabotsy teo no nitrangany loza izay hatreto aloha raha araka ny tombana voalohan’ny zandary dia olana ara-teknika, noho ny fahasimban’ny hisatra, no mety ho antony. Fantatra fa namoy ny ainy noho ity lozam-pifamoivoizana ity ny Lieutenant Tsarazarabe Anicet, manam-oninahitra eo anivon’ny Tafika. Notazomina avy hatrany ny mpamily ary nanokafana fanadihadiana. Toerana ifamezivezen’ny olonaandroaman’alina iny manodidina an’I Mahamasina iny, ary indrindra koa rehefa asabotsy, izay maro olona miantsena sy mandehandeha.

Loza mitatao araka izany ity fahatapahana hisatra ity raha tena jerena amin’izay lafiny izay. Ny tranga toy izao dia manaporofo hatrany fa mila tena mandeha araka ny  tokony ho izy ny fikarakaràna fiara fa tsy hatao ady gasy isak’izay mandeha. Mila tena tsirihina tokoa ny fiara mandritra ny fitsirihina ara-teknika hahazoana alàlana hivezivezy.  Mila tena ara-dalàna ny fanomezana « permis de conduire ». Ireo lafiny ireo anefa dia efa ela no nandringa, ary ny vokany dia mitera-doza matetika ny fampiasàna fiara eto amintsika.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter