- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : 4X4 nivadika ambony ambany, naratra mafy ny mpandeha

By-pass : 4X4 nivadika ambony ambany, naratra mafy ny mpandeha

Vao maraina ! Fiara tsy mataho-dalana, marika Toyota Prado, no nitsimbadimbadika indray teny amin’ny lalan’ny By pass, ary namarana ny lalany tany anaty lakan-drano, omaly tokony ho tamin’ny 6 ora tany ho any, raha ny nambaran’ireo nanatri-maso, teo amin’ilay sampanan-dalana mivoaka avy any Ankaraobato iny. Naratra mafy vokatr’izay ny mpandeha tao anatiny. Isan’ny nanaitra ireo mpindrana vao maraina iny lalana iny ity loza ity. Raha ny filazan’ireo mponina hatrany dia nandeha mafy tokoa ity fiara ity, handeha hitodi-doha hiatsinanana. Sendra nisongona fiara tsy mataho-dalana iray teo anoloany izy no azon’io loza io. Ny lalana rahateo ihany koa anefa tetsy andanin’izay somary fiolanana ary ninoana fa tsy tana intsony ny familiana. Hatreto anefa aloha dia tsy fantatra mazava izay nahatonga ny loza. Vinavinan’ny rehetra izay mahafantatra itony fiara itony,  izay milaza fa mety ho olana ara-teknika, no mety nahatonga ity fiara ity namantana tany anaty tatatra toy izao. Raha ny fahitana ny fahasimban’ny fiara dia mafy dia mafy ny dona nahazo ny olona tao anatiny, ary mety ho isan’ny voa mafy tamin’izany ny mpamily. Vaky sy loaka mihitsy mantsy ny “parebrise”-n’ity fiara ity. Avy hatrany dia nifanampy avokoa ireo nahita ity loza ity ary nanampy ireo olona tao anatin’ilay fiara. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avokoa moa izy ireo. Fa ny omalin’io, izany hoe ny alakamisy antoandro teo, dia mbola nisehoana lozam-pifamoivoizana ihany koa, tsy lavitra tamin’iny faritra iny hatrany. Teo Mahaimandry tamin’iny lalana mampitohy an’Andoharanofotsy sy Ambohijanaka iny. Taxi-brousse mampitohy an’Antsirabe sy ny renivohitra no nivadibadika ihany koa, nivoaka ny lalana ary niafara teny amin’ny lalam-by. Nitondra mpandeha efatra ity fiara ity tamin’io fotoana io. Samy tsy dia nisy naninona avokoa anefa izy ireo. Saingy ilay mpamily kosa no tena voa mafy ary efa nentina notsaboina tao amin’ny Hjra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici