- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Faty natsingevan’ny rano

By-pass : Faty natsingevan’ny rano

Vao maraina omaly no nahita vatana mangatsiaka, lehilahy, izay natsingevan’ny rano ny olona teo Ambohimanatrika. Eo amin’ny by-pass izay mifanandrify amin’ny tetezana ny toerana ary ny ranon’Ikopa no mikoriana ao. Manodidina ny 45 taona ilay razana hita raha araka ny tomban’ny mpamonjy voina ary azo heverina fa tsy latsaky ny telo andro izy no namoy aina. Mponina teo an-toerana izay hanasa lamba vao maraina no nahita ny azana ary nampandre ny fokontany. Ny tompon’andraikitra teo anivon’ny fokontany indray no niantso ny mpamonjy voina izay tonga teo an-toerana omaly tamin’ny sivy ora maraina. Tsy nisy taratasy afaka namantarana ity lehilahy ity ary ny hany azo natao dia nalefa eny amin’ny tranom-paty ny vatany mangatsiaka. Ny fanadihadiana izay miainga amin’ny fitsirihana ny razana no hamantarana raha nisy dian-dratra na dona na poizina no mety hahafahana manaporofo fa novonoina izy na tsia. Matetika koa mantsy dia misy olona izay solafaka amin’ny làlana ka nianjera ao anaty rano ary tsy tafarina intsony. Tranga izay efa nahafaty olona maro izany, indrindra rehefa vanim-potoan’ny fahavaratra toa izao. Ny ranon’Ikopa rahateo niakatra be tao anatin’izay oram-be hatramin’ny faran’ny herinandro teo izay ary tena mahazaka olona mora foana no manonja.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici