- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversBy-pass : Fiara efatra kilan’ny afo

By-pass : Fiara efatra kilan’ny afo

Tsy nisy noraisina intsony ireo fiara tsara tarehy miisa efatra. Mitondra ny marika Grand Starex ny roa, Kia ny iray ary Matiz ny farany. Vao maraina dia efa nirehitra ny afo tao amin’ny toeram-pametrahana fiara iray teo amin’ny By-pass. Tokony ho tamin’ny 6ora sy 45 minitra raha araka ny fanazavan’ny olona teo an-tanàna. Rehefa tsikaritra fa tsy vitan’ny olon-tsotra intsony ny famonoana ny afo noho izany ; izay nahazo vahana be, dia nantsoina avy hatrany ny mpamonjy voina. Fiara lehibe roa no tonga teny an-toerana niaraka tamin’ny mpamonjy voina. Teo amin’ny folo minitra dia voafehy ny afo noho ny fahampian’ny rano sy ny olona. Manodidina ny tamin’ny fito ora maraina, raha ny filazan’ny mpamonjy voina no vita ny fidirana an-tsehatr’izy ireo. Tsy dia misy elakelan-trano rahateo teny amin’ny toerana izay novonjena hany ka nanamora ny asa izany. Tsy mbola voafaritra kosa ny antony izay mety ho nitarika ny firehetana raha araka ny tatitry ny mpamonjy voina. Vola an-jatony tapitrisa izany no indray nirehitra tao anatin’ity firehetana ity raha tombanana ny vidin’ny fiara izay niharan-doza. Indrisy anefa, fa eto amintsika dia tsy mbola miantoka ny firehetana ny ankamaroan’ny trano fiantohana ary dia ny tompon’ny fitaovana ihany izany no miantoka ny lany raha mbola azo amboarina ny fiara. Raha tsia kosa, dia mipitrapitra mijery ny fahavoazana ary mivarotra ny sisam-by izay tsy may amin’ny kilao sisa no azo atao. Isan’ny ady lehibe izay tokony hataon’ny tompon’ny fiara ity resaka famerenam-bolan’ny mpiantoka ity. Ny amin’ny lozam-pifamoivoizana aza, rehefa mitranga, dia matetika mizotra any amin’ny fifanarahan’ny roa tonta, avy amin’ny raharaham-pihavanana, sisa no tena ataon’ny olona. Ny antony dia satria taratasy marobe no ilaina vao tonga amin’ny fiantohana ny tompon’andraikitry ny trano fiantohana. Mila fotoana sady koa ela vao tena mivoaka ny vola amin’izany, eny fa na dia nahaloa latsakemboka ara-dalàna aza ny tompon’ny fiara. Izay no mahatonga ny maro izay mahita fa lasa fisolokiana ara-dalàna ny fiantohana sasany eto amintsika. Any ivelany  tsy dia olana amin’ny olona loatra izany lozam-pifamoivoizana izany. Rehefa tsy ny olona no naratra na namoy ny aina dia raisina ho toa ny toe-javatra izay azo eritreretina ho tonga ny lozam-pifamoivoizana. Tsy miferin’aina loatra ny tompon’ny fiara, satria mandray an-tànana tanteraka ny trano fiantohana any amin’izy ireo. Manomboka eo amin’ny fisehoan’ny loza dia efa mety izy ireo aza no miantoka ny fisintomana ny fiara miala eo an-toerana. Ny eto amintsika dia mbola lavidavitra  amin’izany no misy ary lasa taratasy hialàna amin’ny sazy omen’ny mpitandro ny filaminana fotsiny no tena hanaovana fiantohana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici