- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBy-pass : Fiara nandeha teny an-dàlana, nisy nitifitra

By-pass : Fiara nandeha teny an-dàlana, nisy nitifitra

Tsy nisy nanam-po na inona na inona ny tao anaty fiara. Vaky tampoka ny fitaratra ary niparitaka tanteraka. Ny nahatalanjona aza, dia vaky ny havia ary torak’izany koa ny teo amin’ny zorony havanana, tao amin’ny seza aoriana. Tsy alina be akory ny andro amin’io, satria tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva, tetsy amin’ny tetezan’iSaropody, eo By-pass. Ny iray tamin’ireo fiara telo nifanaraka ary avy nandeha lavitra no niharan’izany. Nijanona izy ireo ary niezaka ny nijery ny manodidina, tsy nisy olona mihitsy ary maizim-be. Ny fiara taoriana no naheno fipoahana ary nazava izany teo, fa feom-basy no henony. Niala teo an-toerana dia nizotra avy hatrany nankany amin’ny kaomisaria tompon’andraikitr’iny boriborintany. Rehefa avy eo dia nolazaina, fa tokony ho eny amin’ny sampana miandraikitra ny heloka bevava no hivantanan’ny fitarainana. Koa satria efa reraky ny zava-nanjo azy ny tompon’ny fiara nefa mbola mila mivezivezy vao heno ny fitarainana, dia naleony navalona ny pejy. Azo inoana tamin’ity tranga ity, fa raha tara ampahan-tsegondra kely monja ny nandalovan’ilay fiara teo amin’ilay fipoahana, dia ny mpamily sy ny olona teo aloha no niantefan’ny bala. Tranga mitovy tanteraka tamin’ity, saingy tsy nisy nino loatra, ny zava-nisy tetsy Antanimena. Fianakaviana iray izay avy namonjy lanonana ka tafody alina no nisy nitifitra koa ny fiarany. Niparitaka ny fitaratra tamin’ny zorony roa ary nanaporofo izany fa tifitra basy no nitranga. Dia inona indray ny tanjon’ireo olon-dratsy amin’ny fanaovana ity fitifirana fiara ity? Hangalatra fiara ve sa kosa handroba ny olona ao anatiny. Ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana dia nilaza,  fa matetitetika ny tranga toy izao tato ho ato, teto an-drenivohitra. Sa tonga eto Tana koa ve ny jiolahy mpanakan-dàlana eny amin’ny lalam-pirenena?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici