- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversBy Pass : Lehilahy nahatratrarana rongony 3 gony

By Pass : Lehilahy nahatratrarana rongony 3 gony

Saika isan’andro no andrenesana fahatratrarana olona mitondra sy mivarotra rongony ety amin’ny manodidina ny renivohitra. Vao tsy ela akory, tamin’ny sabotsy lasa teo tokony ho taminny 8 ora alina, nahazo vaovao ny polisy misahana ny ady amin’ny fihanahan’ny zava-mahadomelina fa misy rongony nentina kamiao naidina teny Ifarihy By-Pass. Rehefa tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana dia nahatratra lehilahy 30 taona mipetraka eny Namontana niaraka tamina rongony 3 gony milanja 45 kg. Tamin’ny famotorana azy no nahafantarana fa nohafarana avy any Atsimo ireo zava-mahadomelina ireo. Vidiany 100 000 ariary ny iray gony ary amidiny 250 000 ariary avy eo rehefa aty an-drenivohitra. Nilaza koa izy fa efa ela no nanaovany ity varotra rongony ity. Omaly alatsinainy no natolotra ny Fampanoavana etsy Anosy ilay lehilahy.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici