Raim-pianakaviana iray no nisy nandona teny amin’ny By-pass ary nitarika ny fahafatesany izany. Nanararaotra ny haizina ilay mpamily izay nahavanon-doza ary dia tsy nijanona fa rifatra nitsoaka. Namoy ny ainy ny naratra. Andro vitsivitsy taorian’izay, nandritry ny fandevenana ny razana, dia mbola fahoriana hafa indra no nianjady tamin’ny fianakaviana : nisy nandroba ny tranon’ny maty. Foana tsy nisy noraisina intsony tao ary izany no novantanin’ny fianakaviana raha nandeha nody. Ketraka tanteraka ireo olona, satria vao tsy adim-pamantaranandro vitsy akory no nandeha taorian’ny fanitrihana ny razana, dia efa fahoriana hafa indray no nitranga. Ketraka amin’ny zava-misy iainana ankehitriny indrindra indrindra. Ny saofera mamono olona dia mitsoaka. Ny mpangalatra miandry ny tsy hisian’ny olona ao an-trano fotsiny, dia manao ny asa ratsiny. Endriky ny firodanan’ny toe-tsainan’ny olona sasany ireo zavatra roa indray nitranga tamin’ny fianakaviana iray izao. Raha adika tsotsotra mantsy dia ny sotasotan’ny hafa hatrany no nitondra fahoriana ho azy ireo. Mendrika ny mba ho lasa lavitra ny fanadihadiana amin’ity raharaha ity, satria heloka bevava in-droa miantoana no nitranga ary raha tsy ho fantatra ny tompon’antoka dia ahiana hitarika fifankahalana eo amin’ny samy mpiara-miaina ny tranga toa izao. Ahoana tokoa moa no mbola hitiavana ny hafa izay efa namono ny an’ny tena ary koa nandroba ny fananana? Ny mba tsy hiterahan’ny toy izany no tena ilaina fanadihadiana mba lasa lavitra kokoa ka hisamborana ny olon-dratsy.
D.R